Daewoo / Madagasikara : 10 taona aty aoriana

Document Tools

Author: Nosoratan’i GRAIN sy ny Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy
Date: 20 November 2018
Translations: Français and English
Short URL: /e/6084

Print article



Nosoratan’i GRAIN sy ny Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy | 20 November 2018 | Other publications, Land

 

Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ireo solontenan’ny Daewoo Logistics, teny amin’ny Lapam-panjakana ao Iavoloha, ny volana Oktobra 2008.

Ny faha-18 novambra taona 2008 no nampahafantaran’ny gazety anglisy « Financial Times » fa eo am-panaovana fifanarahana goavana be ny orinasa Daewoo Logistics sy ny governemantan’i Madagasikara. Folo taona aty aoriana, inona no zava-misy iaraha-mahita ?

Tamin’ny alàlan’io fifanekena io dia nikendry ny hahazo tany tsy latsaky ny iray tapitrisa sy telo hetsy hekitara (1,3 million d’hectares) hambolena katsaka sy  palma fanaovana menaka izay haondrana any ivelany ilay orinasa avy any Korea atsimo, nefa ny mponina eny ifotony tsy nampahafantarina izany. Ny fanaparitahana io raharaha io dia anisan’ny antony nahatonga ny fianjeran’ny mpitondra firenena teto Madagasikara volana vitsy taty aoriana ary nahatonga ny mponina eran-tany ahalala ny fisian’ny fironana vaovao mahatsiravina ho amin’ny fangoronana ny tany izay tokony hambolena sy hamokarana, noho ny kirizy ara-sakafo sy ara-bola.

Folo taona aty aoriana, inona no zava-misy iaraha-mahita ?

Amin’ny lafiny iray, tsikaritra fa mitombo foana ny isan’ny fangoronana sy fanaovana ampihimamba  ny tany ho an’ny famokarana sakafo sy ny fambolena. Tamin’ny taona 2016 ny fikambanana GRAIN dia nahita fifampiraharahana 500 isa mikasika tany 30 tapitrisa hekitara (30 millions d’hectares) any amin’ny firenena 70, izay any Afrika ny atsasany. Fa nihena kosa ny hafainganan’ny fifampiraharahana mikasika ny tany ary maro ny tetikasa goavana no tsy nahomby. Tao ny maty antoka ripaka fananana, tao ny nandamoka ny asa, ary tao ny voatery nijanona noho ny fanoheran’ny mponina. Ka mba hialàna amin’ny fanehoan-kevitry ny besinimaro dia mitodika amina fomba fangoronan-tany ankolaka fetsifetsy kokoa ny mpampiasa vola : fambolena voafatotry ny  fifanarahana (« agriculture contractuelle »), faritra manokana ara-toekarena (« zones économiques spéciales »), ivo-toerana mifantoka amin’ny fambolena (agropoles) ary lalantsaran’ny foto-drafitr’asa (« corridors d’infrastructures »). Fa na inona na inona ny fomba ampiasaina dia ny fanangonana sy fangoronana tany no tena hevi-dehibe.

Hita amin’ny fomba mazava kokoa ihany koa fa maro amin’ireo fifanarahana ireo no miantehatra amin’ny herisetra sy ny tsy fanajàna ny zo. Tamin’ny taona 2016 ny Fitsarana Heloka bevava Iraisam-pirenena dia nanitatra ny faritra iadidiany tamin’ny fampidirana ny fangoronan-tany (« accaparement de terres ») ho anisan’ny « heloka bevava manohitra ny maha-olombelona »(« crime contre l’humanité ») izay ho henjehiny manomboka izao. Ny taona 2017 no nahitan’ny  fikambanana Global Witness isa ambony indrindra hatramin’izay momba ny famonoana olona mpiaro ny zony eo amin’ny taniny any ifotony ary nambarany fa ny sehatra manodidina ny fambolena sy famokarana sakafo no antony lehibe indrindra mampitombo io toe-javatra io. Tamin’ny taona lasa, maro ireo mpanao politika sy mpandraharaha manao kolikoly no tafiditra am-ponja noho ny fandrobàny tany fambolena midadasika mba hanadiovana vola maloto. Miha-mavesatra ny vokatry ny fangoronan-tany eo amin’ny lafiny maha-olona.

Any ifotony kosa anefa, dia iaraha-mahita fa misy fanantenana lehibe misandratra. Mifandamina ny mponina ary manangana fiaraha-miasa mba hanoherana ireo tetikasa ireo sy hamerenana indray ny fahafahany mifehy ny taniny. Any amin’ny toerana samihafa anyAfrika Andrefana, ireo vehivavy voatery nifindra-monina noho ny fambolena palma hanaovana menaka tantanan’ireo vondron’orinasa aziatika toa an’i Wilmar, Olam, Golden Agri-Resources sy ny hafa maro dia mandalina sy mampiasa ny traikefa ananan’ny rehetra, ka miara-mamolavola paik’ady ary mahita hery sy fomba ahatonga ny feony ho heno eo amin’ny tolona atrehiny.

Ny mponina manodidina ny toera-pambolena makadiry izay vatsian’ireo vondrona eoropeana Socfin sy Bolloré ara-bola, dia nanorina fiaraha-miasa mba hampitomboana ny tsindry eo amin’ny mpampiasa vola mba ahatonga azy ireo hihaino ny fitakiany, ary hanome antoka fa tsy ho voaloto ny rano, ho mendrika ny fepetra rehetra manodidina ny asa sy haveriny ny taniny. Any Repoblika Demokratikan’i Kongo, manohitra ny fitrandrahana palma fanaovana menaka eo amin’ny velaran-tany iray hetsy hekitara (100.000 hectares), izay an’i Feronia, fanànan’i Unilever teo aloha, ny mponina sady tsy manaiky ny maha-ara-dalàna io tetikasa io, amin’ny alalan’ny fametrahana fitoriana eo anivon’ny governemanta eoropeana maro.

Misy ohatra maro hafa any Azia sy Eoropa ary Amerika. Fa ny hafatra fototra dia tokony hampitomboana ny asa ataotsika hanakanana hatrany am-piandohana ireo fifampiraharahana amin’ny velarantany midadasika.  Tsy misy amin’izy ireny na iray aza afaka mamelona ny mponina ao an-toerana, fa ny tena ataony dia manamora ny fisian’ny fifandirana, ny fandroahana ny tompon’ny tany ary ny fanararaotana.

Handao hiverina any Madagasikara, izay hoatry ny nijanona tsy niodina ny fotoana. Mbola miasa ao an-tanàna i Daewoo Logistics, miafina ao ambadiky ny anarana hafa (*). Ilay tolotra tany nandamoka teo aloha dia miverina manaloka ny zotra-pifidianana ankehitriny noho ireo mpanao politika nilaza ho nanohana na nanohitra ilay fifanekena, folo taona lasa izay, miverina mifaninana indray amin’ny firotsahana ho filoham-pirenena. Amin’izao fotoana izao dia misy ny vondron’ny mponina malagasy maneho herim-po sy mitolona manohitra tetikasa fangoronan-tany hafa maro, amin’ny velaran-tany kely kokoa noho ilay goavana be tao amin’ny andrana nataon’i Daewoo. Samy manantena fa tsy hiverina indray ny tantara ary manantena fa ny fitondra-panjakàna vaovao dia hanohitra izay fakam-panahy rehetra hanome ny loharano-karen’ny firenena ho an’ny tombotsoan’olom-bitsy

Ity lahatsoratra ity amin’ny teny Anglisy dia azo takarina ao amin’ny tranokalan’ny Thomson-Reuters Foundation sy ao amin’ny tranokalan’ny fikambanana GRAIN.

Tamin’ny volana Oktobra 2008 i GRAIN no namoaka tatitra mitondra ny lohateny hoe « Main basse sur les terres agricoles en pleine crise alimentaire et financière » : https://www.grain.org/article/entries/140-main-basse-sur-les-terres-agricoles-en-pleine-crise-alimentaire-et-financiere :

Fandrobàna ny tany tokony hambolena mandritry ny kirizy ara-sakafo sy ara-bola). Ny tranokalany dia anisan’ny toerana ahitàna rakitra sy tranga betsaka indrindra momba ny fangoronana sy fanaovana am-pihimamba ny tany (« accaparements de terres ») eran-tany ary momba ny « tolon’ny tantsaha sy ny hetsika sosialy mba hanamafisana ny fifehezan’ny vondron’olona any ifotony ny rafitra ara-sakafo mifototra amin’ny harena voajanahary ».

blog comments powered by Disqus